Psalms 147

Haleloia ho an’ ny Mpanohana izao rehetra izao, Izay nampody ny fahatsaran’ i Jerosalema

1Haleloia; Fa tsara ny mihira ho an’ Andriamanitsika; Eny, mamy sady mendrika ny fiderana. 2Manangana an’ i Jerosalema Jehovah; Mamory ny Isiraely voaroaka Izy. 3Mahasitrana ny torotoro fo Izy Sy mamehy ny feriny. 4Milaza ny isan’ ny kintana Izy: Samy tononiny amin’ ny anarany ireny rehetra ireny. 5Lehibe ny Tompontsika sady be hery; Tsy hita lany ny fahalalany. 6Manandratra ny mpandefitra Jehovah, Fa mampietry ny ratsy fanahy hatramin’ ny tany. 7Mihirà fiderana ho an’ i Jehovah; Mankalazà an’ Andriamanitsika amin’ ny lokanga, 8Izay manaron-drahona ny lanitra, Izay mamboatra ranonorana ho amin’ ny tany, Izay mampaniry ahitra ny tendrombohitra, 9Manome hanina ho an’ ny biby Izy Sy ho an’ ny zana-goaika izay mitaraina. 10Tsy ny herin’ ny soavaly no mahafinaritra Azy, Ary tsy ny tongotry ny olona no sitrany. 11Jehovah mankasitraka izay matahotra Azy, Dia izay manantena ny famindram-pony. 12Mankalazà an’ i Jehovah, ry Jerosalema ô; Miderà an’ Andriamanitrao, ry Ziona ô. 13Fa manamafy ny hidim-bavahadinao Izy, Sady mitahy ny zanakao eo afovoanao. 14Mahatonga ny fari-taninao ho fiadanana Izy; Vokisany vary tsara indrindra ianao. 15Mampandeha ny didiny ho amin’ ny tany Izy; Miely faingana dia faingana ny teniny. 16Mandatsaka oram-panala tahaka ny landihazo
Heb volon’ ondry.
Izy; Mampiely fanala tahaka ny lavenona Izy.
17Mandatsaka ny havandrany ta-haka ny sombintsombin-javatra Izy; Iza no maharitra ny hatsiakany? 18Mamoaka ny teniny Izy ka mampiempo ireny; Mampifofofofo ny rivony Izy, dia mandriaka ny rano. 19Milaza ny teniny amin’ i Jakoba Izy Ary ny didiny sy ny fitsipiny amin’ Isiraely. 20Tsy nanao toy izany tamin’ izay firenena hafa Izy; Ary ny fitsipiny tsy mba fantatr’ ireny. Haleloia.
Copyright information for Mg1865